IZAHAY MAHANTRA (NY HERIMAR)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IZAHAY MAHANTRA

Fantatro efa ela f'izahay olo-mahantra,
Tsy be fitarainana satria efa zatra;
Ny fijalian-mangirifiry no mba sakaizanay,
Raha resaka fiadanana tsisy fantatray.

Izahay olo-maro longo manao dia maro
Saingy olon'ny masoandro fa tsy mba tataro;
Tsy anananay hatrizay raha ny hasomparana
Fa zaranay indrindra raha mba misy manana.

Indrisy...izahay mahantra vodifahatra ihany,
Ihandronan'ireo ratsy eto ambony tany;
Raha misy zavatra tsy hita na koa tena very,
Dia izahay madinika no ampiharana hery.

Izahay mantsy tsy mba manana ny ariary,
Moa ny sakafonay rahateo anana fa tsy vary;
Ka tokony ianareo na hitsara ety ivelany
satria jamban'ny vola ka tsy mahita izay erany.

Ny lambanay rovitra satria tsy mba manana,
Ny mampiseho ny fanafina, reharehan'ny mpanana;
Dia naleonareo nividy efa rovitra indray,
Tsy mba fantatrareo fa ny anay tsy sitrakay.

Hatramin'ny zanantsika marina moa efa tsy mitovy,
Ny anareo mihinan-kena, ny anay voky ovy;
Ny anareo na nandra aza mahazo toerana ambony,
Fa ny anay manam-pahaizana lasa mpiloloha gony.

Izahay lasa mpifidy na dia manam-pahendrena,
Mametraka ny mpanana izay mpambotry firenena;
Mamitaka anay madinika mba hahazoana toerana
Kanefa izahay avy eo tsy mba asiana fiheverana.

Tsy maninona anefa fa ny mahantra dia izay,
Efa tsy im-pito voafitaka fa mbola tsy fay
satria mbola manantena foana fiainan-tsaratsara,
Ary vonon-kosorona ho an'ity GASIKARA.

NY HERIMAR 04/04/2019
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
478 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154