LALAM-PIAINANA (NY HERIMAR)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LALAM-PIAINANA

Hariva an-tanin'olona mametsovetso
Lavitr'olon-tiana ka be sentosento.
Ilay malala tiana fiangotingotiana
nilaozana irery noho ny faniriana

Fa IKAKY sy NENY 'lay namaham-bary
izay nikely soroka noho ny ariary
hahatafita ity zanany mamy sy tiany
tsy maintsy nilaozana, miandry ny hodiany

Fa any i zoky sy zandry havako
Ho taona maro tsy hahita ny tavako
dia ilay fanjana amin'ny taolahasa
Rava hatreo, tantaran'ny lasa

Ny namana fahiny niaraha-nilalao
tsy maty ao am-po hatramin'izao
'lay miady vetivety, mihavana indray
fitiavana lehiretsy, mandrakizay

Fa ny tena tsy tantiko, d'ilay malala tiako
ilay nipitrapitra, vao nahare ny diako
hoe handeha lavitra ilay fianteherany
tsy maintsy hanirery pahafiverenany.

NY HERIMAR
Febroary 2019
Maroc
--------
Rohy:
Sokajy : Hanina - embona - Alahelo - fiainana
521 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147