MALALANY FA TIAKO (NY HERIMAR)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MALALANY FA TIAKO

Tsy nahay nionona ity foko efa tia,
Tsy nahay nionona fa te hamatravatra;
Tsy nahay nionona fa te hiara-dia,
Tsy nahay nionona sa te hitady ratra?

Nanomboka teo ny masoko lasa nitsiriritra,
Nanomboka niafina nangala-pijery;
Nanomboka teo koa lasa nipitrapitra
nahita ity lalana tery dia tery.

Valaka ny saina, gina ny vava
mandinika ity akoho efa an-tanampapango;
Vao manomboka maraina, maloka ny tava,
Ny ranomasonaina no mamonto ny akanjo.

Malalany izy iny fa tiako ihany koa,
Malalany izy iny fa nahasarika ahy;
Malalany izy iny fa teny aminy avokoa,
Ireo fepetra rehetra mambabo ity fanahy.

Noho izany,
Ianao horohako mangina ato am-po,
Ianao hiarahako mandry anaty nofy;
Ianao ho dingadinga ody aretin-doha
Hataoko fisotro rehefa izaho marofy.

Dia hotiaviko doria na tsy ho tia ahy,
Hotiaviko miafina na tsy ho fantatrao;
Raha ny fitiavako tsy misy mampanahy,
Vonon-kiantorahanao raha izy mandao.

NY H. 09/09
23:57'
--------
Rohy:
606 1
Mpakafy: Herimar
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : NY HERIMAR
Nampiditra : Herimar
Daty : 09/09/2019 23:39
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149