MBA RAISO TOMPO - NY HERIMAR
Azo vakiana?
MBA RAISO TOMPO
Inty aho ry Tompo
Hanatitra ho anao;
Hiezaka hanompo
Satria zanakao.
Vola kely ariary folo
no hany mba ananako;
Atolotro manontolo,
'Zay eo am-pelantanako.
Tsy hoe manatitra ny olona
dia indro izaho mba handeha,
Raha tsy misy, haiko ny mionona
fa na manana tsy hirehareha.
Mbola tsy tadidiko tokoa
ny mba nanaovako fanatitra betsaka;
Indraindray aza ariary roa
ka dia ataon'ny olona firesaka...
Mino anefa aho ry Ray
fa hitanao ilay fo manolotra,
Moa izaho natoky rahatrizay
fa noraisinao am-po tsy romotra.
Raha ny sitrapoko Andriamanitra
dia ny hitovian'ny olona rehetra
ka hiadana sy ho finaritra
sy ho lavitry ny herisetra.
Dia hitovy ny fanatitra,
Dia hitovy ny hatolotra
ka tsy hisy intsony ny miaritra
ireo fosa sy tondro molotra.
Ka ilay fanatitra ariariko
hanonerako ireo fahotana
ary hanampy ahy sy ny heriko
ho enti-miady amin-tsatana;
Izany tsy izany no mba vavako
tao am-po ka naloaky ny vavako;
NY HERIMAR
17/12/2016
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : NY HERIMAR

Nampiditra : Herimar
Daty : 10/09/2019
Mpamangy : 195
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
MATOA...MATOA
IANAO MALALA
AZA AKASIKA AHY
FITIAVAN'OLON-DROA HOE?
MOA HAMPANINONA ?
TETO AN-TANY
HAFA-DRAHALAHY (nasiana fanitsiana)
NA TSY NATAO
NY RAY AMANDRENY