MBOLA HO AVY NY MARAINA (NY HERIMAR)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MBOLA HO AVY NY MARAINA

Mbola ho avy ny maraina
Hampitsiky ilay endrikao;
Aza kivy sy velon-taraina
amin'ny dona mahazo anao.

Mbola ho avy ny maraina
Higogohanao fahasambarana;
Ny fifamonjena amin'ny aina
Izany no ho lohalaharana.

Mbola ho avy ny maraina
Hanajariana ny eny ambanivolo;
Fa ny tany izay karakaina
Ho maitso mavana daholo.

Mbola ho avy ny maraina
Hanongorana ny fitiavan-tena;
Tsy iray hisy hiala maina
na mahantra na mpanankarena.

Mbola ho avy ny maraina
Hanonganam-panjakana
toa taninandro gaingaina
ka ho fongorana sy halana.

Mbola ho avy ny maraina
Hampiova ny tantara;
Ka ianao izay midaina
Tsy hahalala izay ao afara.

Mbola ho avy ny maraina
nandrandraiko fahizay;
Hatory hilamin-tsaina
Ireo mahantra sakaizanay.

NY HERIMAR 30/03/2019
--------
Rohy:
Sokajy : fanantenana - Fiononana
805 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : NY HERIMAR
Nampiditra : Herimar
Daty : 11/09/2019 07:26
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.012