MIALA TSINY (NY HERIMAR)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MIALA TSINY

Mino aho fa tsy hadisoako eto an-tany
raha mandray ity hevitra tapako ity androany
Te satria hanaporofo eto imasonao
fa nanindrona ny foko ny fanahinao.

Mino aho fa raha ny hafanam-pitia tato anaty
tsy akory nanantena ny hamaly faty
F'ilay FO tia niandrandra anao fatratra
indrisy nohosenao na dia nisasatra.

Faniriako taminao ry malala omaly
ny hoe homendrika izany hisarom-boaly
ka dia niezaka ity vatako fadiranovana
mba hitandrina anao amin'ny fahadiovana.

Nanontany hoe mbola ao ve ry sila-panahy
sa efa noribain-drony zalahy?
Satria te mba hisava ny faritra ambany
saingy mihitsy tsy navelanao hakany.

F'ianao mailo foana ny nibaradaka
hoe ise ngah malala tsy mba mivavaka
Fa hoe fahotana tsy roa aman-tany
ny mikiti-javatra tsy anao izany?

Ka niaretako izany satria ny tao am-po
dia ny hiara-hianoka ny tombon-tso,
Na dia efa dondona aza dia niandry kely
fa hoe hisy azy amin'zany volan-tantely.

Nandeha ny ora, tonga ihany ilay fotoana
izay nandrasana ela hoan'ilay faritra noana;
Saingy rotaka sahady no nameno ny tanàna
Izaho mba niandry, leo tsy tamàna.

Fikasako taminao ny hakana taranaka
Saingy tsisy fika fa anio ihany misaraka
Dia ilay voady nataoko tambony alitara:
tsy mendrika ho anao ambarako tsara.

Ianao hoe efa voajanga tsy olana firy
F'ilay foko voafahan-dalitra no namirifiry
Ka mialà ny tokantranoko izao dia izao,
Mahità izay olona mitovy hasina aminao!

NY HERIMAR 18/02/19
--------
Rohy:
Sokajy : anatra - Ady - fiainana - Fitiavana
744 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : NY HERIMAR
Nampiditra : Herimar
Daty : 07/09/2019 07:09
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145