MISY FARANY (NY HERIMAR)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MISY FARANY.

Misy farany avokoa ny zavatra rehetra,
Na tsara na ratsy misy farany avy;
Misy farany avokoa, mandalo, misy fetra,
Sarobidy ny fotoana, eny tena zava-pady.

Ny andronao omaly tsy tahaka ny anio,
Ny vintanao androany tsy azo ianteherana;
Misy farany avokoa, izany no tadidio
Hararaoty ary moa mba tsy hanenenana.

Misy farany ny lonilony, misy farany ny fitia,
Misy farany mantsy ny ety ambany lanitra;
Misy farany ny alahelo tsy mampatory, mampahia,
Eny.... satria andrinay Andriamanitra.

Rehefa tonga ny farany tsy maintsy handresy,
Ireo olo-mihaino sy mijery ny hoaviny;
Fa amin'izany ireo donto fetsifetsy,
Ny trosan'ny lasa tsy maintsy haloaviny.

NY HERIMAR
06/10/2021
--------
Rohy:
598 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107