Nofy RIRININA - NY HERIMAR
Azo vakiana?
NOFY RIRININA
Indray hariva hilenti-masoandro
raha nivoaka kely izahay mianadahy
dia sendra ilay vorona tsy mpivoak'andro
Ka dia revo tokoa moa ny saina sy fanahy.
Dia nifampijery sy nifampitopy maso
no nifampiera hoe: ao mba andraso!
Niteny Ravorondolo tamin'izany andro
Fa ho hafaliam-be, hono, any aoriana any;
Ny lohany izay tsy faseho masoandro :
Ho tsara lavitra noho ny an-dRailovy,
Ary ny mpanjaka amin'izao fotoana:
Tsy maintsy ho esorina, izay no tsarovy.
Fa ny masony izay mahita alina:
Hanambara zava-maro mifono zava-dalina.
Gaga Ragoaika raha nahare izany
Ka velon'eritreritra sy lasa vinany,
Dia nanontany:" tokoa ve izany??
Ary nofy tanio sa tamin'ny omaly?
Matahotra mako aho sao raha hampijaly!
Mino anefa aho fa mitohy ilay tantara
Ka aleo ny ahy koa mba hambara;
Angamba tohin'ny an'ise teo ihany,
Fa hanjaka,hono, Ravorondolo aoriana any
Ka Ragoaika no ho mpanolontsainy,
Dia Railovy no ho mpanasa lovia
no sady mpiasa mpanafy ny lainy
Ka dia himonjomonjo sy tena hahia
mandrapahatapitry ny fofon'ainy"
''Marina izany e", hoy Ravorondolo,
Namaly Ragoaika :"e, tsy matiko lolo!"
NY HERIMAR
Angano angano, arira arira...izaho mpitantara rediredy, ianareo maka lesona.
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : NY HERIMAR

Nampiditra : Herimar
Daty : 22/04/2020
Mpamangy : 194
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
MATOA...MATOA
IANAO MALALA
AZA AKASIKA AHY
FITIAVAN'OLON-DROA HOE?
MOA HAMPANINONA ?
TETO AN-TANY
HAFA-DRAHALAHY (nasiana fanitsiana)
NA TSY NATAO
NY RAY AMANDRENY