NOHO NY AMIKO (NY HERIMAR)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NOHO NY AMIKO...

Noho ny amiko mantsy dia niaritra izy
Nataony toy ny tsisy ny zava-drehetra;
Fa noho ny amiko na mafy na mangidy
Dia niaretany avokoa tsy nasiany fetra.

Noho ny amiko nafoiny ny hasambarany,
Nandeferany avokoa ninoninona nitranga
Ny hahasambatra ahy no tena nisasarany,
Ny fitia izay nomeny tsy mba nisy banga.

Noho ny amiko dia nafoiny ny ranomasony
Hizakana sedra tsy natokan-ko azy akory;
Noho ny amiko ilay endriny sy hakantony
Tsy noraharahiany intsony fa naleony niari-tory.

Eny akia tena tsy ho zakako velively
Ny fahorianao noho ny fitiavana ahy;
Eny izao aza efa manomboka mamely
Ny tebitebin-tsaina romboin'ny ahiahy.

NY HERIMAR
21/04/2021
00:10"
--------
Rohy:
485 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143