NY LALANTSIKA (NY HERIMAR)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY LALANTSIKA

Fahiny mantsy
nisy afompitia niredareda tao am-po ;
Ny mandramaty,
Izany no voady nifanaovantsika roa.

Tsy nifankafoy ery,
Nifanaraka teny foana, nifampiantso isan'andro ;
Samy nankafy...
Naniry ny hifankahita na alina na andro.

Raha ny fisarahana?
Tsy tao anaty diary fa nohalavirintsika;
Fitia no nabahana,
Ny fankahalana....tsy nisy nanavitsa.

Tonga anefa ny fotoana
Tsy maintsy hanaperana ny lasan'ny fahiny;
Ka Rafanadinoana
no malala hisakambina amin'iny lalako iny.

Ianao no nisafidy
Ka dia hohajaiko mora ho mari-pahendrena;
Fa na dia mangidy,
Ao anaty fahalavoana no misy fandresena.

Veloma ianao sakaiza,
Mahità ny tsara, tojoa izay meva;
Fa na hakaiza,
Ny aina iriana, isika samy hateza.

NY H. 03/07/2020
13:47"
Fès Maroc
--------
Rohy:
603 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : NY HERIMAR
Nampiditra : herimar
Daty : 03/07/2020 13:22
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0156