NY RENY SY NY RAIKO (NY HERIMAR)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY RENY SY NY RAIKO

Ny Reny ry ny Raiko,
Lalaiko sy hajaiko
fa fototraiko...

Na maloto sy misafotofoto,
Ny fitia ato am-poko
tsy hiova loko.

Ireo no ahy
Loharanompanahy
Mpamelona sy mpiahy.

Ireo niady mafy
sy nampitafy,
Tena nihafy.

Ka dia holalaiko
fa fototraiko
Ny Reny sy ny Raiko.

Ary dia ho ekena
Sy hanehoana fahendrena
Ho vavibabena.

NY HERIMAR
04/04/2020
FES MAROC
--------
Rohy:
555 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0108