PAKANAY MAFIADY (NY HERIMAR)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY PAKANAY MAFIADY
Paka ny andro, totorebika ny ao an-tanàna
Fa velona indray ilay mpanao fahagagana;
Ny aleloia manako erÿ eran'ny vazantany,
Dia lasa ny eritreritro, nanidina any ho any.

Ireto olona maro mitafy akanjo tena tsara,
Somary maika famindra fandrao mantsy ho tara;
Andro miavaka tokoa ,hono, izany paka izany
Fa nanavotana ny olona mponin'ny tany.

Dia maro ny mifaly, mirevy anaty bara
Ka mamo izay tsy izy ireo dimby sy fara;
Tsy vitsy ireo miady, baikoin'ny alikola,
Tsy mahitsy dia intsony fa dia midoladola.

Izany ka tena paka, pakan'ny mpanana
F'izahay mahantra, nilaozan'ireo namana;
Izahay mantsy tsy manan-ko entina mirevy
Fa efa lany omaly ilay karamanà tevy.

Idada any an'ala mandoatra saribao
Mamonjy ilay lahasa sy asa fanao;
Anio hariva izy hivarotra izany eny an-tsena,
Ka ny vola kely azo mba hividianana hena
Ilay zandry menavava tsy mahalala ny tsy misy
Ka dia atao izay hampifaly an'ity zana-disy.

I Neny indray tsy kivy fa tena mbola mitraka
Nifoha maneno sahona handeha hanondra-traka;
Izy tsy manan-kantenaina horaisina isam-bolana
Ka tsy maintsy mitrongy fa izany no vahaolana.

Ireo zokiko kosa vao maraina dia tsy hita
Nandeha nilanja angady nanohy ny asa tsy vita;
Tsy afaka mijanona na reraka aza ny aina
Satria ny asan'olona tsy maintsy vitaina.

Izaho indray mijanona mikarakara ato an-trano
Mitanika mangahazo sy mampangotraka rano;
Dia mivavaka mangina ho an'ireo ankohonanay
Mba hombam-piadanana avy amin'Izy Ray.

Dia izay ilay pakanay, paka miavaka kely,
Paka voalaro vahona fa tsy mba tantely;
Izahay tsy miala sasatra fa mandeha mitady
Dia izay 'lay paka miavaka, Pakanay mafiady.
NY HERIMAR
Paka 21/04/2019
--------
Rohy:
Sokajy : Fampaherezana
386 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : NY HERIMAR
Nampiditra : Herimar
Daty : 06/09/2019 14:11
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105