POETA (NY HERIMAR)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
POETA
Ny ankamaroan'ny poeta tsy mba mety matavy
Ny anton'izany dia tokana ihany;
Satria mifoha alina fa tsy mamosavy,
Mikaroka ny miafina any ambadika any.

Mpaminanin'ny tany tsy ira-janahary,
Mpanambara ny re sy hita miharihary;
Mpisolovavan'ireo madinika ianjadiam-pahoriana,
Mpitondra fanantenana sy mpizara hafaliana.

Mpanonofinofy sy mpibanjina habakabaka,
Mandinika ireo tranga, misaina tena miavaka;
Mpitety ny havoandasa misavasava izay ho avy,
Ny tanany miketrika sanatria ny hiraviravy.

Dia izay ilay poeta, ilay enjenioran'ny teny,
Ny rima sy ny ngadona sombiny amin'ny famboleny;
Milalao kisarisary hoentina hampitana hafatra,
Mandany rondoha mba hanomezana izay lafatra.

NY HERIMAR 06/05/2019
--------
Rohy:
Sokajy : Poeta
548 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146