RAHA HANAMPY IHANY (NY HERIMAR)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA HANAMPY IHANY...

Raha nisy fanampiana
Nahoana rehefa lavo
no mody vao haarina?
Kanefa fijaliana,
Nandeha na azon-tazo
Fa nanafena-marina.

Ireny mpivarotena
Sy mpitondra fiara
Ny madinika rehetra
Tsapa tena mahonena
Kanefa tsy afa-miala
Tsy nandraisana fepetra.

Raha ry zareo mbola afaka
no nandeha mba natosika
sy nomen-tolotanana...
Efa foana izao ny hataka
Sy 'reo lazaina misolitika,
Ny rehetra efa samy nanana.

Tsy mahagaga ihany
Raha toa tsy mandroso
ianao re ry taniko,
F'efa tany aloha tany
na dia poti-mofo
Efa mankarary ny aiko.

Raha izaho no tsy miova
Dia ahoana firenena
no nofisiko ho sambatra...
Fa dia zary ho lova
Izato faharesena
Raha tsy vonon-kitambatra.

Dieny mbola miarina
Ireo namanao
Ampio ka tohano;
Aza avela hivarina
Izay vao hanao
Fa omeo na dia rano.

NY HERIMAR
05/04/2020
FES MAROC
--------
Rohy:
511 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103