RY LEHILAHY (NY HERIMAR)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RY LEHILAHY

Manafatra aho ho antsika lehilahy,
Ny vehivavy lehiretsy mila tambitamby;
Izy mitia tsy asiany ahiahy
ka aoka atsaharo ny resa-bandivandy!

Io vehivavy io:
Mila fanajana tsy tokony hoalikaina;
Izao no tadidio:
Izy kibo nifonosana nahatonga anao niaina.

Tsy ny fivaviana no mahaolona azy,
Tsy ny hatsaran-tarehiny koa ry tovolahy
no fepetra isafidianana izay tokony ho vady
fa fantaro ny fo, ny saina, fanahy!

Aza alaim-baraka imasom-bahoaka
ny miafiny lalina nasehony anao
ka aoka tsy ho rabiana ho dabaloaka
F'ialahy tsy valahary no anton'izao.

Raha sendra bevohoka àry ny sipanao,
Aza terena fotsiny ny hanala zaza...
Raiso ankafaliana fa asantananao,
ka omeo fikarakarana sahaza.

Ny tena lehilahy tsy miamboho adidy,
Mizaka am-pitiavana ny teny nomena;
Manaiky malalaka ny tena safidy,
Tsy be tambiny, tsy tia tena.

NY HERIMAR 00:50'
23/06/2020
Fez Morocco
--------
Rohy:
Sokajy : fananarana - Fitiavana
842 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : NY HERIMAR
Nampiditra : herimar
Daty : 23/06/2020 19:45
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142