You are here: home > Vetso

SAINTSAINO - NY HERIMAR

Azo vakiana?

SAINTSAINO

Eh ianao ry ilay tiany sy ilay nijaliany,
Tsarovy fa eo am-pelantananao ny fony;
Tadidio fa natokany ho anao ny fifaliany,
Ary hatreto ilay fitiavany mbola tsy mitony.

Aza odian-tsy hita na odian-tsy fantatra
ilay fony tia sy matoky anao fatratra
fa tsy ho zaka velively, tsy ho leonao hatreto
ny todim-pitia nomeny, nigohan'izy sento.

Aoka ianao ho tonga saina hibanjina ny lasa,
Aza avelanao ho very maina ireo voady nokinasa
fa iainany any fahoriana tsy roa aman-tany,
Toloko tsy sesilany arahiny tomany...

NY HERIMAR 06/02/2017

Hametraka hevitra

Midira aloha