TALAHO FARANY (NY HERIMAR)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TALAHO FARANY

Ry Ray ao ambony, ankiniko aminao
Izao vahona mitsoniko mamonto izato tavako
Ka miangavy re aho raha azonao atao
Ndeha atonio ny alahelon'ireto havako.

Ekeko ho zakanay matoa zao nisy
Nefa tsy mbola niainako no atomotra loatra;
Mino anefa aho fa homenao tsiky
Ireto fianakaviana nialohavany any ankoatra.

Ray o, mandahatra voary iny adidinao,
Ny fanirianao hahasambatra anay
Ity 'zaho mpanota indro mitalaho
Omeo fiadanana re' zay Babako 'zay.

Ny HERIMAR
09/05/2021
Maroc
--------
Rohy:
476 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144