TE HO POETA AHO (NY HERIMAR)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TE HO POETA AHO

Tsy misy ainga fa nandray penina,
Niasa saina kely nibitsi-tao am-po;
Nalefako ny fanahy nitondra tamberina,
Namoha ireo tsiaro nalevina taloha.

Gaga ny saiko amin'ireto poeta,
Ilay tato an-dohako no efa voasorany...
Saingy amin'ny fomba voatefy talenta,
Izay ao am-pony no tena naborany.

Maniry aho marina ho lasa poeta,
Mba mikasa mafy hitety habakabaka;
Handeha hitady lafatra sy avo lenta,
Hanandratra ny teny tsy ho any an-davaka.

Tsy hampaninona ahy ny hiari-tory
Raha izany no hahitako ny marina;
Hanoratra Koa hampitsiky ireo ory
Sy ho an'ireo lavo maniry hiarina.

Te ho poeta aho ho an'ireo very Zo,
Te ho poeta aho hisolo vaika azy;
Te ho poeta aho hitsikilo izay soa,
Te ho poeta aho ho an'ireo voasazy.

Te ho poeta aho hamoha ny omaly,
Te ho poeta aho hamantatra ny ho avy;
Te ho poeta aho ho an'ireo mijaly,
Te ho poeta aho hanaja ireo fady

Ny Herimar
19/06/2021
01:09'
Maroc
--------
Rohy:
706 1
Hevitra mandeha
tononkaloNM ( 24/06/2021 07:33)
Mankasitraka e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107