TIAKO RAHA TSAPANAO (NY HERIMAR)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TIAKO RAHA TSAPANAO

Raha mahatsiaro azy ianao ry tiany
dia ahereno any amin'ny lasa ny fitadidiana;
Tsarovy fa ny endrikao no nampivily ny diany
Satria nantenainy hanome azy fifaliana.

Aoka ho tsapanao akia ry malalany
fa any ambadik'iny tsy tazana iny any:
Misy olona iray niangaranao fitia;
Misy olona iray miboboka tomany,
Misy olona iray te ho anao doria.

Ary dia mbola hisy koa olona hafa
izay ho babonao sy ho tia anao sahady,
Hisy olona iray hiangavy anao mba hitafa
nefa dia hialanao tsy hisy azafady.

Ary any indray dia mbola hisy olona anefa,
Olona iray tsy hampahitanao tory;
Eny ny ranomasony dia mbola hiantefa,
Nefa izany tsy hasianao vidiny akory.

Kanefa tadidio akia fa mety any ho any
mbola hisy ihany koa an'ilay olona iray;
Olona iray izay hahatonga anao hitomany;
Nirinao ny anareo mba ho mandrakizay.
Nefa izy handao ka ianao hangaihay.

NY HERIMAR
30/11/2016
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
634 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147