TSIKY SY TOMANY (NY HERIMAR)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsiky sy tomany

Tsy dia afa-misafidy
Fa anakiroa ihany
Mamy sy mangidy
Na tsiky sy tomany.

Na ny omaly na ny anio
Eny na ny mbola ho avy,
Tsy afaka miala amin'io
Na mahia na matavy.

Fa tsiky sy tomany
Eny, mbola ho ireo foana
Mpanalokaloka ny tany,
Mpanindry kibo noana.

Ny tantely sy vahona
Tsiky sy tomany ihany,
Ny habakabaka mandrahona
Efa tsy mahagaga izany.

Ny Herimar
13 jona 2021, 03:09 AM
--------
Rohy:
594 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149