VOLANA AOGOSITRA-SEPTAMBRA 2018 (NY HERIMAR)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VOLANA AOGOSITRA-SEPTAMBRA 2018...

Volan-tsomambisamby ho an'ny atifanahiko
ireto volana anakiroa izay nifanesisesy;
Vola-nampihevaheva ny nofy tsy nahiko,
Vola-niavaka, toa tsy nety tapi-betivety.

Toy ny akoho notsipiazam-potsimbary tokoa ny tenako
ka faly sahirana fa tsy hita izay hatao;
Noraisiko ny hevitra hitako tsy hanenenako,
Hanao veloma ny vala fa vonona handao.

Tsapako teto ny tsiron'ny fahantrana
sy ny jalin'ireo mpiasa izay mitady vola,
Saingy nozakaiko satria efa tsy tamana
amin'ity fomba fisainana miha goragora.

Isaorako ireo nanampy sy nikely soroka
hahatongavako amin'ny tanjona sy vina izay iriko;
Izay hataonareo anie ka harodroroka,
Hotian'ireo mpankahala sy be tsikotsiko.

Ho anareo rehetra tsy mahay ny tantara,
Aoka tsy ho liana fa lalina izany;
Hofeno ny pejy raha adika sy ambara
ka aleo ary ajanona ho tsiambarateloko ihany.

NY H. 18/08/2019
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
382 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103