Iarivo Mitomany - Ny Kanto
Azo vakiana?
Ho Fahatsiarovana ny Rova indray andro tapaky ny volana septambra
Iarivo mitomany
Irony tranogasy mevany mihantokantona eny an-tendrombohitra
Dia naneho toy ny mianjaika ireo biriky mena midorehitra
Rehefa iny novangian’ny tara-masoandro tratra hariva ...
Ô Indrisy ireny koa nihintsana, nosoloina trano miva
Ireo tantara mbamin’ny haingo nampiaiky izao tontolo izao
Ny Trano vola, Manjakamiadana, sy ny ala manga tao
Ô Vohitsara feno soa, feno laza, feno raki-tsarobidy
Ô Indrisy ireny koa fa may hotohoto kila, tsy tadidy
Dia tsy ho tazako intsony irony tamboho avo naorin’ireo Ntaolo
Mihintsana toa vony latsaka an-kady ; mipitrapitra ery ny maso
Tsy hahatsangana orimbato hisakana ny riakan’ny ankaso
Dia tsy ho henoko intsony ny fikoranan’ny tananako fahiny
Fa ny alahelo miavosa, sy ny gogogogon’amboahaolo
Ny ranomasolavan’Iarivo no hany reko ankehitriny
Ny Kanto. 2006-06-19
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Ny Kanto
Nampiditra : NyKantoDaty : 22/08/2006
Mpamangy : 2132
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Tsy ManahyMAVESATRA
Mihelina
Maty ilay tantely
Kalo anaty haizina
Fiofona
11-septambra
Ny Fahatsarana
Mpitazana-tazanina
Misy rà mijininika