You are here: home > Vetso

Masoandro mody - Ny Kanto

Azo vakiana?

Masoandro mody

Iny tazako nilentika, ilay masoandronay,
Mirefarefa mody iny ankodimirana iny
Izy hono tsy tamana - ary tena nodifiany!
...
Injao reko miala aina,
Mihamangatsiaka ilay fifankatiavanay.


Tsinjoko sahady, mihazakazaka handrakotra,
Ny aizina mpanarona ny velona eto an-tany.
Tsy miso diso izany, fa dia asesiny vangiana.

Injao reko ampatoriany,
Hatory tsy hifoha ilay fitia izay nampiray.


Dia mijoro, dia mitazana, mamoy ampara-tazana
Ranomaso izay noferako no narahin’oram-baratra
Mamakivaky fo ireo kotrokotroka sy tselatra.
...
Injao reko ‘lay veloma
Miraviravy ireto tànako fa ny foko kosa tony.

Ny Kanto. Parisy 2004-09-07

Sokajy : Fisarahana

Hevitra mandeha

Oully (07/09/2004 12:55:38)

Ry namako akaiky,
Dia sanatria ve ho izaho no hiloa-bava hanoro anao fa hody ary mbola hiverina indray iny masoandro iny ka hitondra hazavana sy hafanana vaovao...
Mahereza ry zoky !!!
Oully.

andriary (07/09/2004 13:32:36)

Vaovao amiko ny rafitrry ny tonokalo nosoratanao ka variana aho!Ary dia toa mirazotra manaraka ny rafitra koa ny hevitra fonosiny!
....
Tena tsy azo tazonina hijanona ve?

bichette (07/09/2004 13:54:45)

nykanto, hiriko mba ho tononkalo fotsiny io fa tsy hoe hiainanao....

Tazony, tazony, tazony .....

NyKanto (07/09/2004 14:16:47)

Iza moa no mahatana ny masoandro tsy hilentika ? Ny ampitso hafa indray, efa maraina vaovao, Andro hafa iray.

Ny Kanto.

bichette (07/09/2004 14:59:56)

nykanto, tsy misy mahatana tokoa saingy possible : Seul Dieu peut arreter le temps.Rien ne Lui est Impossible.....

crrlanto (08/09/2004 00:09:36)

Hafa kely ,ny an,ny ity Mpanoratra ity indray dia ..namolaka ny zavaboary hifanaraka ilay hevitra tiany ampitaina,; masoandro mody; ny tiany ambara ao araka ny hevitro dia : mandao azy ilay tiany ,fa antenainy hiverina ,toa ny masoandro maraina , olona manana finoana be izy .Tohizo

yonikafopl (08/09/2004 21:38:23)

nykanto mahandrasa ilay maraina vaovao hoverenan'iny masoandro izay nody iny. hitondra hazavana sy hafanana ho anao.

bichette (14/09/2004 09:47:17)

nykanto,
misy hira atolotro anao ao amin'ny fanehoan-kevitra amin'ilay tononkalon'i Rado hoe "mba tantano" (nampidirin'i Oully)

Hametraka hevitra

Midira aloha