Tsy fioty manta - Ny Kanto
Azo vakiana?
Setrin'ilay tononkalon'i Oully hoe ... niriany.
Ny fitia anie tsy fioty manta
Koa aza maika hisantatra
Ny mbola maitso sy marikivy
Sao sendra izay tena mangidy
Fa mahaiza miandry ny mamy
Ilay mety ho fararanon-tomany
Soloy ilay amboaram-pitiavany
Masaka amin'ny fotoanany ...
Irio f'izay no tena iriany...
F''izay maharitra hono
anie no vadin'Andriana.
Ny Kanto.
Hevitra mandeha
Oully (30/06/2004 09:32:23)
Ankona fotsiny aho teo am-pamakiana ity vali-kafatrao! ...
Ka
Rahoviana vao ho masaka
Hiandrandrako tena fitia
Hiandry taona efa hisasaka
Sa ho manta foana doria?
Hiandry!!! hiandry!!!
bichette (30/06/2004 13:00:53)
mahereza aza kivy
fa mbola ho avy ilay tandrify
ny fiainana aloha hatsarao
fa mbola ho avy ny anjaranao
mahereza ! mahereza !
NyKanto (30/06/2004 13:48:26)
Aza atao fitia voangivy,
Mbola lavitra ihany ka kivy...
Fa ataovy fitia voampo,
mbola lavitra ihany dia ampoizina !
Ho avy anie ilay andro
Hamokaranao fitiavana.
Ny Kanto.
raozigasy (01/07/2004 12:34:09)
Tsy . . .
Tsy hoe ange mioty manta
Fa mba tsindrin-daona
Te hanantena hanta
Rehefa hoe mihaona
Tsy hoe ange maimaika
Ka hioty ny mangidy
Fa lay fitia nitsaika
Ka tsy nanam-pidy
Tsy dia hoe te-hisantatra
Ka haka marikivy
Ka fitia tsy fantatra
No ndeha hatao hahakivy
Fa . . .
Ny tsiky izay natondraka
Handonaka ny tany
Hahatsara vokatra
Nataony hanihany
Raozy
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Ny Kanto
Nampiditra : NyKantoDaty : 30/06/2004
Mpamangy : 906
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Tsy ManahyMAVESATRA
Mihelina
Maty ilay tantely
Kalo anaty haizina
Fiofona
11-septambra
Ny Fahatsarana
Mpitazana-tazanina
Iarivo Mitomany