HAHAFANTARANY - Ny R. FIDIMANANTSOA
Azo vakiana?
Hihelina any ianao ?
Raha hihelina any ianao;
Ilazao ‘lay tsiriry nanifika rano;
Manina ilay tsiditsidika hoe
‘lay tatamom-parihy
vao nilaozan-tsy satry.
Te hovangiana matetika hoe
Irony kamory nizatra nahita;
Ka aza miserana tsy mba mivily
na miherika ihany fa mamilafila;
Aza mahalana fisodisosy,
Dia aza maharitra fihodina an-kafa;
Fa miitatra foana, manonitra fery
ny jalim-paniry mba te hitodiana;
Lasa toloko mandrontsin-tomany
ny bitsika omaly nifampisamborana;
Ka aza ny sahon-tsy azo hono hoe
na ny singan-tsokovo-tsy levom-bavony
no tsy ahatsiarovana ireo tafatafa.
Aza ny foza nandrovitra vava
na zana-tsindretra tsy re tsiro akory
no hanadinoana ny zara avo fatra,
Fa ento an-tsiahy ‘rony tobaka mamy,
‘lay zanak’amalona diso fiantefa;
‘lay toho nandrandraina narivo fiery;
Dia vangivangio amin-tsidika hoe
irony tatamo tamoron-kamory !
Izay fa veloma!
Ny R. FIDIMANANTSOA
Mombamomba
Mpanoratra : Ny R. FIDIMANANTSOA
Nampiditra : Liber_TDaty : 16/11/2013
Mpamangy : 906
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
REHEFA TENA TIA046 - DIHY
VINANY
HOE "TSOTRA BE"
TSIARO FITIA
DITRA
HO AN’IREO … HODY
HIHAVANA ISIKA
Manina anao...