HIHAVANA ISIKA - Ny R. FIDIMANANTSOA
Azo vakiana?
Hisy alahelo
tsy ho afa-tomany;
Hisy tomany
tsy hilaozan-toreo;
Hisy toreo
horontsonina ihany,
raha ‘zaho no ho very
tsy ho havanareo.
Hisy toloko
hahaory tanàna;
Hisy tanàna
ho vonton-katsiaka;
Hisy ny hatsiaka
tsy hisolo hafanana
raha toa hifanary
tsy hihavana isika.
Hisy ny helo eto an-tany reroy,
raha olona tiana … kanefa hafoy!
Ny R. FIDIMANANTSOA
22/06/1999
Sokajy :
Aingam-panahy, Aingam-panahy, Alahelo, fiainana, fiainana, Fianakaviana, Fianakaviana, Fiaraha-monina, Fihavanana, Fitiavana, Hanina, tsara, tsara
Mombamomba
Mpanoratra : Ny R. FIDIMANANTSOA
Nampiditra : Liber_TDaty : 16/11/2013
Mpamangy : 1075
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
REHEFA TENA TIA046 - DIHY
VINANY
HOE "TSOTRA BE"
TSIARO FITIA
DITRA
HO AN’IREO … HODY
HAHAFANTARANY
Manina anao...