Adala aho (Ny Tany)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Adala aho !

Nahoana re no nisy hatrany teto antany
Ireo tovovavy soa sy kanto mahalasa ny vinany
Nahoana koa no toa izaho irery no adala samy irery
Mandinika fa iza amin’izy rehetr’ireny no ataoko mamikely

Adala aho angambany fa toa ny zavatra tsy ihisy
Sy ny nofinofin’ny alina mandreraka , mavesatra indrisy
No noheveriko, jineriko hakako torimaso no kinanjo
Piozina iray nanala izany aiko nanafoy izany androko

Adala ve ho raha tovovay iray ihany no hiriako mba ho ahy
Izy irery hatrany no nibodoako ny tontolo ho azy sy ho ahy
Dia ilay tontolo feno tahotra, feno hirifiry sy ahiahy
Ho ahy ve ianao, izaho ve ho anao mampanembona ny tsiahy

Adala aho fa nahoana re no nisy ireny raozy kely ireny
Nahoana izy rehetra ireny no toa soa sy kanto eny rehetra eny
Izy no ho fidiako, iza no ho asiako , asiako ilay tsilo feno lay
Dia ilay tsilo nankarary ahy sy nandrotika ito fo sy fanahy

Oai izany redirediko, raha toa ka fantany eto re izany
Inona no hiseho, ngamba aho ho everiny ho adala avihatrany
Adala toa misaina, adalan’ny fitia nekena nolalaina
Nefa anie izy ihany no nanadala ahy hatrany , hatrany!!!.

Adala aho !
Adalakelin’ito foko !
Adala kely mitoloko !
Fa tsy eo ianao hampionona ny foko.!

H.I.M
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
4016 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Tany
Nampiditra : Mael
Daty : 15/11/2003 08:43
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107