H an' i vero !. (Ny Tany)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Vero!

Dia sahinao hatramin’izay ka hatramin’izao
Eny hatramin’ilay ora farany nanajako ny fitiavanao,
Dia sahinao hatrany no nilaza fa hoe tena tia ahy ianao
Nefa.......
Indrisy !!!

Nobaboinao ny foko!
Nobaboinao ny fitiavako !
Tsy namelanao raha tsy nody ho vovoka ilay Vatako!

Vero !!!
Fantatro fa resinao aho , resy nitolefika
Resy tsy afaka nihetsika noho ny fitiavana anao!
Fantatro fa tsy misy na dia olona iray aza
afaka hilazako ny haleben’ilay fitiavako !,
Indrisy !!!

Mangidy no nateliko !,
Hakiviana no nameno izany endriko!,
Adintsaina sy alahelo no hany sisa nolanjaiko!...ry Aiko!!

Vero !!!
Raha mba fantatrao mantsy izany fahoriana!,
Raha mba fantatrao koa ireo fijaliana !!!,
Ireo fiafiana noho ilay foko izay midongy !
Midongy hatrany mba ho anao . Nefa …..
Indrisy!!!

Resy aho e!!!,
Resy tsy mba afaka namaly !,
Resy sady nitomany satria!!,.. ilay fasana no indro no namaly!

Vero a !!!
Tadidio anie fa efa lasanao ny fitiavako!
Tadidio koa fa lasanao ny fananako !
Ary tadidio fa noho ny fitiavako anao
Dia ho lasa fahalovana ny vatako!
Indrisy!!!

Dia mino ve ianao fa tsy hisy valiny ireny!?,
Dia mino koa ianao fa tsy hisy todiny hatreny!?,
Maty aho mantsy ka tsy afaka ny hiteny!!!
Tsy afaka ny hamaly anao amin’ireny rehetra ireny!


Farany ré r’iVero !
Aoka angamba izay e !!
Aoka hivalona hatreo fa sao heverinao ho adala aho !
Na heverinao ho misisika sy tsy hay ahilika !
Ka sao koa hakarary anao !
Ko’hoe noho I Rina ihany izao rehetra izao!!



Tononkalo ho fahatsiarovana ani'RINA RADANIELA / Tao MAMORY Ivato.

H.I.M
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2553 1
Hevitra mandeha
Rasobakobako ( 05/10/2010 12:14)
Mampalahelo be, fa in no zava nitranga ? Namono tena ve I Rina ?
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Tany
Nampiditra : Mael
Daty : 10/11/2003 09:03
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104