GASIKARA - Ny ToKy ( NTK )
Azo vakiana?
Gasikara o! Tiako ianao
Saingy ny mpitondra!!
Inona moa no mba vitany?
Asa!? Ny hampahory!
.Ny tsy hatao dia ny ho kivy
Satria ninia mikipy maso
Ny ho avin'ny tsy mba misy akory!
Fa ny fiainanao dia takon'ny ankaso!
.Tiako ianao matoa izaho mijoro!
Ka ny hany faniriako dia ny hampandroso!
Fa ny rindrim-bato izay efa tafajoro!
No hany sakana ka mampamohy fo!
.Hihezaka aho na dia kely aza!
Miady amam-bato sy ny via!
Hivavaka, handresy ny ankaso!
Tiako ianao, ka tolorako fitia
Sokajy :
Tanindrazana
Mombamomba
Mpanoratra : Ny ToKy ( NTK )

Nampiditra : Tononkaloko87
Daty : 09/10/2016
Mpamangy : 702
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Aza kivyRehefa tia
Nofy sisa . . .
Revy sa ditra ?
Ho tsiambaratelo
Kalo (miaraka amin'i HARIAINA)
Any ho any
kilalao
Neny
Eto amin'ity tany ity