Neny (Ny ToKy ( NTK ))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Neny

Raha vao injay nandaka tao an-kibo, dia efa nijaly sahady
Nofisiny ombieny ombieny ila menaky ny ainy mandady
Volana maro no niafiana, fijaliana, fangirifiriana
Fa tia , tena dia tsy nitaraina fa dia nangina

Na mama, na neny, azo iantsoana azy avokoa
Fa ny tsy azo idivirana dia tsy misy sahala azy tokoa
Raha injay nitady nono , nikikiaka nitomany
Dia izy teo foana ho ahy hatrany hatrany

Raha nisy zavatra nahazo, i neny foana no natsoina
Tsy nisy sekondra, na minitra na ora mba fiantoana
Fa vonona foana ny hanampy sy hiaino ary hananatra
Nanomboka nandady, mandra-pa lehibe dia nampianatra

Ny hatafita ny zanany no tanjony amin’ny fiainana
Ka tsy miondrika na mafy aza ka tsy misy hitarainana
Na hifoazana maraina be, ary hodiana tara koa
Dia nataony daholo satria mikatsaka izay ahasoa

Ireo teny mamy tsy hain’I dada: tambitamby, angolangola, safosafo
Rehefa injay iny hatory, tsy voavidim-bola, tsy misy akory aza na lafo
Tsy ho voavaliko ireny rehetra ireny fa ny hany teniko dia misaotra
Sambatra aho manana anao ary mbola hanana anao any any an-koatra

Izay nataonao ahy rehetra dia hampitaiko amin’ny zanaka ao afara
Mba ahatsiarovako anao, isan’andro hatramin’izay mety ho fiafara
Any andro, tsy maintsy mbola ihisy raha andao anay ianao
Dia mbola manantena sady mino fa hifankaita amiin’ilay fiainam-baovao
NTK 2012 MARS 06
--------
Rohy:
2177 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny ToKy ( NTK )
Nampiditra : ntk
Daty : 09/03/2012 13:37
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103