Rehefa tia (Ny ToKy ( NTK ))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rehefa tia

Rehefa tia dia toa adino avokoa
Ireo izay rehetra manahirana ny loha
Fa toa misy hery hafa mihitsy
Tsy takatry ny saina, indrisy

Indraindray mila mahalasa adala tokoa
Raha tsy voalanjalanja ilay fihetsehampo
Hany ka ny saina no lasa mivaha
Aza mba tratrany fotsiny fa dia asa oa!

Lavitry ny maso hono, akaikin’ ny fo
Tsy izany intsony izao ,afa ny taloha
Ny maso sy ny fo tsy misaraka
Raha tsy toa izany dia aleo aloa misaraka

Ny sarahin’elenelan-tany aza tsy fidiny
Koa raha mbola azo atao,ialao ny ngidiny
Aleo tsy mifanary ,miara-dalana tsy mifankafohy
Toy izay hoe raha manina ianao dia ny anarako no antsoy.

Tsy misy sambatra nohon’ny eo akaikin’ny olon-tiany
Izany no hetahetam-pony lalandava sady koa iriny
Hiara-tsambatra ho doria, hamakivaky fiainana
Hanadino ireo tomany ,hanamaivana ny fitarainana

NTK Mars 2008
--------
Rohy:
1908 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny ToKy ( NTK )
Nampiditra : ntk
Daty : 19/05/2012 17:32
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01