Revy sa ditra ? (Ny ToKy ( NTK ))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Revy sa ditra ?

Mifampiantso , mifanoratra someso
Tonga dia any ny fotoana dia mitondrà vola
Dia mihomana ery sady miventsoventso
Fa lasa raikitra indray izany ity fa hidola

Dia vorivory , Iza no mbola tsy ao !
Iny koa tara lava , zao foana mahakamo
Tsy aleo tonga dia atomboka izao
Sady tsika efa samy te ho mamo

Dia ataovy ary aloha ny pilisy pilisy
Za aloha r’zalah tena ts manana mihintsy
Fa amin’ny manaraka aho manao be be e!
Tsy QUOI zany f’efa kobo foana lé clé e!

Dia atao labiera sa tonga dia ilay mafana
Mety daholo rehefa mapiakatra ny mari-pana
Ny tsaky atao misimisy dia efa ao tsara
Ny coupage koa asio karazany dia sigara

(1ora aty aoriana)
Io sahady lety fa mandoha tsy mahazaka
Ny sipa aza ireo tsy misy mihontsona akory
Raha misy mahita dia ho hafa-baraka
Ny mety amin’ity ngamba mody matory

Aleho samy hody daholo raha izany
Sady izay telo vavy matory irery ‘zao
Izany hono dia ahoana ! sa ho any ?
Poinsa be izany fa tonga dia ‘ndao
Fa nareo izany aloha dia izao : tsy maintsy amin’ny tany
Eny e! ndao fa rehefa alina ve tsy ho hita eo ihany

TNK 2012 MARSA
--------
Rohy:
3525 1
Hevitra mandeha
missylvie ( 29/03/2012 08:42)
Tsy revy na ditra fa hatanorana
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny ToKy ( NTK )
Nampiditra : ntk
Daty : 23/03/2012 20:10
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107