"MAMAY NY TANY" - NYTSIKY
Azo vakiana?
“MAMAY” NY TANY
ho avy ilay andro
ao aoriana kely ao
f’izao tontolo izao
ho doro avokoa
hisolo tany vaovao
ts’ hisy fanafany
ny heriny masoandro
hafana tsy ho tanty
anjary poizina manaikitra
andosirana isan’andro
ny rivotra hiainana
hamono hahafaty
tsy hifankahitàna
hiazakazaka ny olona
handositra ny gidro
fa may ny àla
kila ny tanety
tapitra ny fety !
fa “mamay” ny tany
simba ny tontolo iainana
hiatra aminy taolana
ny fanafody izay fanefitra
handrovitra any anaty
vao maika hankarary
tsy hahasitrana akory
sady hanorisory
izao rehetra izao
ho ngazana sy maina
feno fijalina
ranomaso sy taraina
hiampy hiaka ferin’aina
takaitra sy hirifiry
daroka sy vono
enjil’aloka antso vonjy
tsy hisy fihafarany
samy hamonjy ny ainy
nefa tsy afaka hiala
tsy maintsy hifandao ny mpifankatia !
dia ho samy hangaina
ny tany ho karakaina
hitresaka sy hangotraka
ireo ngeza sy matanjaka
hirodana sy potraka
hitsahatra ny asa rehetra izay natomboka
hodinao mody fanina kanefa fantatrao
fa ao aoriana kely ao
mamono ny masoandro
fa “mamay” ny tany
potika avy hatrany
tsy vitan’ny tomany
feno tahotra horohoro
ny vazan’tany efatra
ho sarona sy toro
na hazo iray aza tsy hisy hiangana
ny hain’andro hampikoro
ny hatsika hampivaingana
betsaka ny ho mangana
ireo niadana hatrizay
ireo avo sy ireo trozona
hidoboka hitrosona
fa “mamay” ny tany
ka mankaiza isika izao?
NJIVA. A
BRETAGNE - 11/2005
in "ENFANT DE LA NATION"
Hevitra mandeha
NYTSIKY (23/11/2005 17:04:06)
TOKONY HITANDRINA NY TONTOLO IAINANA NY TSIRAIRAY AVY FA MIHAMAFANA NY TANY KA ATAHORANA AO AORIANA KELY.
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : NYTSIKY
Nampiditra : NYTSIKYDaty : 23/11/2005
Mpamangy : 2667
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
KA INONA…« HIRA TSIKY DIHY »
ÊTRE une FEMME à MADAGASCAR
FAIS LE TOUR
CAFÉ
LES FEMMES LES PLUS AIMÉES
ANY AMBONY ANY
NOFINOFY
AINA
ANJELY#