Mijanonà any (oceane)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mijanonà any

Raha ny teo aloha dia faniriako
ny fiantsana ny fiverenanao
Raha ny teo aloha dia toa satriko
ny hanafaingana izato dianao

Kanefa ...
toa tsy mety izany
Kanefa ...
toa niova ianao ilay any

Toa tsy izaho intsony
no ambetindresakao
Toa tsy izaho intsony
ilay andrin'ny fonao

Ny elanelan-tany
toa naharesy indrisy
Ny elanelan-tany
toa nampiova ireo efa nisy

Dia niandry aloka aho
raha toa ka niandry anao
Fa hay ianao nahita
nitia ilay randram-bao

Tsy homeko tsiny akory
na dia tena mampahory
Satria ny antsika toa tsy anjara
Ka aleo hipetraka ho tantara

Ny mba hiangaviako angaha
dia ny hijanonanao
Mijanonà any
fa hanampy ahy izay
Handripahako tanteraka
ireo potika fitia
izay navelanao

Tsy hamela ahy ahatsiahy
hamerina indray
ireo lasa taloha
Izay tsy tiako intsony hifoha.
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana
1373 0
Hevitra mandeha
karako ( 09/07/2007 16:50)
Masiaka be i oceane an. Izao izany ilay lavitry ny maso ?
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : oceane
Nampiditra : nahrindra
Daty : 05/07/2007 03:41
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096