SAIKA FITIA (oceane)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Vetsoiko mangina toa kisarisary
tsy sahy soratana anaty diary
ilay momba anao toa mamy dia mamy
Kanefa toa hita ho nampitomany

Dia fahatsiarovana sisa tanisa
ireo zava-maro niaraha-nandia
toa fahatsiarovana marisarisa
Ka malain-kiverina toa sanatria

Navalon'ny ela toa lasa angano
niampify kely toa morom-parihy
nisosa koriana miendrika rano
Navalon'ny lasa fa saika fitia

Toa sary mipetraka tsy azo averina
tsy hita hiverenana fa efa toa
fahatsiarovana iray mitamberina
ka efa mielina vao tena soa

Na ny alahelo izay mitambesatra
na ireo lasa izay tsy hita isa
dia mitambatra toa manavesatra
Hibaiko ity peniko ity hitanisa.
(28/09/08)
--------
Rohy:
Sokajy : Hanina
1422 0
Hevitra mandeha
nahrindra ( 18/01/2009 20:48)
ny saika sy ny tsy misy anefa mitovy ihany ...
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : oceane
Nampiditra : nahrindra
Daty : 11/01/2009 03:16
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103