vavaka - oceane
Azo vakiana?
Eo antananao ry Raiko
No mba itsambazanay
Ampio fa reraka ny aiko
Satria enao no ifalianay
Raiso aho ry Tompo o
aza avela ho hitanondrika
Ilay satana Be lolom-po
Esory sy ataovy rotidrotika
Omeo fo, saina madio
Fanahy sy fahendrena
raha sitrakao ry tompo mba valio
ka mba ho toy ny volamena
Tsapako fa tsisy tomombana
Ny fianako raha tsy misy anao
fa vao kely mety nitotongana
kanefa be fitia ianao
Isaoraka ireo talenta
Izay nomenao ahy
Anao daoly ireny tsisy etra
ka deraiko anao am-panahy
Sokajy :
Aingam-panahy
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : oceane
Nampiditra : ghammyandrianarisoaDaty : 02/11/2017
Mpamangy : 488
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
ry GasikarakoIanao
Vetsovetso
SAIKA FITIA
???
Eux ...
Avela izy handeha
Mijanonà any
Soa fa ...
very