AZA KIVY (OLLIE)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aza kivy!Mahereza aza sorena
Fa fandalovana ny eto an-tany
Itsikio,mandefera iafio
Fa hivaly aminao izany rehatra izany

Aza kivy!Na maro ny mpisopatra
Tadidio fa misy ny fiafarany
Na manjaka sy mirongatra
Tsarovy fa mbola ao ny Nahary

Aza Kivy!N'izan'iza hanao ankaso
Ny hery no aoka mba hanjaka
Mitraka aza asiana andraso,andraso
Ary aza avela hahazo laka

Aza Kivy!Fa any volana any taona
Raha mbola tany koa ny tany
Tsy maintsy hisy ny fotoana
Hifaliana tsy arahin-tomany

Aza Kivy!Fa ny Tompo no irariana
Hitahy,hitsinjo hatrany hatrany
Ary hasambarana sy fifaliana
No hiainana eto an-tany
--------
Rohy:
Sokajy : Fampaherezana
2590 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : OLLIE
Nampiditra : ollie
Daty : 10/09/2005 16:19
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098