You are here: home > Vetso

TANORA O! - OLLIE

Azo vakiana?

Tanora o!
Hadinoy ny hadalana
Ajanony,
Ny fiainanao andrandraina

Tanora o!
Tsinjovy ny ho avinao
Mianara,
Ho an'izay ho taranakao

Tanora o!
Ianao no fanantenana
Ho dimby,
Hanasoa ho fanazavana

Tanora o!
Ianao no hery hany
Ho toky,
Hanoro,hitanisa hatrany

Tanora o!
Ianao ihany no hijinja
Hifafy,
Ny vokatsoa zay harindra

Tanora o!
Zao no andro sarobidy
Hilofosana,
Ka mahaiza misafidy

Tanora o!
Mila anao ny taninao
Mahereza,
Zanahary hitahy anao

Mombamomba

Mpanoratra : OLLIE

Nampiditra : ollie
Daty : 10/10/2006
Mpamangy : 2019
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

TSIAHY ANAO
AIZA! MIVERENA
UN CHOIX
EMBONA
AZA KIVY
RAHOVIANA ?