Tena ampy izay (ONITRA)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ampy izay ry tiako,tena ampy, tena ampyizaho aza manenina fa niatsampitsampy
tamin'ny hazo tena fantatra fa niniako tsotra izao
tsy nofantarina ny toetra ratsy rehetra taminao
Ny fandeferana niainako, ny niaretako ny hatsiaka
tamin'ireny sasak'alin'ny ririnina masiaka
ninia ianao tsy nahalala f'izaho dia mila lamba
mba ho tinafiko, hirakofako fa tsara ho ahy ny mihafy angamba.
Ka ny teny farany azo atsipiko aminao
TENA AMPY IZAY !miangavy anao aho avelao
Raha hisambatra aho hitoetra eo anilanao indray
toa tsy ho tohako ny hijery anao hiaritra mahamay
satria tsy izaho izao intsony ilay izaho taloha
fa efa niova saina, toetra,efa niova mafy loha!
ONITRA 13:13 19/09/2007
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana - Fisarahana
Hevitra mandeha

Malalason
(
20/09/2007 14:54)
d'efa mana fanahy iniana kosa i Delidine zany kah, andramo indray hoe ny miantsmpitsampy @ hazo tsy fantatra hihihhi

helitiana
(
20/09/2007 17:57)
pissoa: misaotra betsaka nampiditra an'io.
Malalason: hihihi! andraso fa andramana ndray izany raha mety.
Malalason: hihihi! andraso fa andramana ndray izany raha mety.

Rojoukel
(
22/09/2007 12:38)
Tsy de mahasosotra

njaf
(
07/11/2007 09:48)
mirary soa e, masiaka nefa misy anatra sy tambitamby ihany, mbola matahotra ny handratra e

fahamarinana
(
05/06/2009 09:32)
Ka ilay Hazo iantsampazana tsy hay am-boalohany na hazo boboka ....na izany aza tsy voatery izay hatrany !
Faha
Faha

ora
(
21/04/2017 14:30)
tandremo ary sao dia tafahoatra ny ampy ndray, ref izay mantsy dia manjary mitobaka hihihihihi