You are here: home > Vetso

Tsory - orlando andriamiora

Azo vakiana?

Vorio ny herintsaina..hiloaka hoe:..tsy mila
Ary ..mba fadio ny mampifila.....
              
          .......  Raha toa ianao tsy tia

Hingao 'lay hintsim-po, tsory aho raha ho lavina
Fa aza arirarira sy mody haravindravina....
   .... Amin'ity andraso foana
        Sy ny fanemorana fotoana

F' ireny anie mandolo!
Toky mampangotsoka ny anaty manontolo

Zay ao amponao ao
           Sahia ianao miteny
                              na dia hoe TSIA
           maika moa fa hoe ENY
malaky re mba tsory
fa ny filafila, tantaramampahory

orlando andriamiora

27 fevrier 1997

Sokajy : ahy, manokana

Hevitra mandeha

NyKanto (14/09/2004 16:58:41)

Marina ny an'ise ... fa tena vonona koa ve aloha ny hihaino ny tsia ? ... dia misy koa hono anie filafila midika hoe te hahafantatra anao bebe kokoa izy eh dia tsy mampiandry ny valin-teniny ...

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : orlando andriamiora

Nampiditra : orlando
Daty : 09/09/2004
Mpamangy : 881
Mankafy : 0