Halako (Oully)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mifona aho ry Ray, fa nanjary nankahala
Tsy fahazarako izany, f'Ianao mahalala
Saingy indray mandeha monja sy olona iray
Nampigoaka mangidy sady tena nahamay

Miera aho ry Ray, mba avela hankahala
Ahafahako mandrava ireo tsiaro rehetra adala
Sary e! tantara e! hira e! sy hoe zava-nokinasa
Haleviko im-pito mandifotra fa tsinin'ny lasa.

Halako Ray ô! tena halako indrindra
Nanararaotra ny foko vao nianatra namindra
Ka na ho heloko aza, hibabeko vali-faty
Dia ho halako izy, ho halako mandra-maty.

Mifona Ray ô!


Paris, 26 jolay 2004
01h 22mn
--------
Rohy:
2006 2
Mpakafy: Arimalala - NyKanto
Hevitra mandeha
NyKanto ( 27/07/2004 10:45)
Tsy hitako izay ambara ho anao...
Avelao ny fotoana no hamafa sy lasa raha toa ka tsy vitan'ny fo sy ny sainao izany aloha ankehitrio.
Mahereza.
Ny Kanto.
Karajia ( 27/07/2004 13:20)
Ray o ! henoy ny vavaky Oully, izay mandalo fotoana sarotra amin\'izao fotoana izao.
Ray o ! Ianao irery no tena mahita sy afaka mandrefy ny alahelo sy ny vesatra ao am-pony.
Ray o ! Afaho izy, tantano i OUlly aoka hitsahatra amin\'izay ny orana mikija ka hiposaka ilay masoandrom-panantenana.
rany o ! ho afaka ....
AMEN !
Oully ( 27/07/2004 15:28)
Eo am-pandikana ity tonokalo ity aho dia efa maminavina sahady ireo fanamelohana ataonareo satria "mankahala". Fa ny mahagaga dia eo am-pankahalana aho no mahazo hery sy tanjaka indray, nefa dia miendrika tonom-bavaka ilay izy. Hafahafa ihany ... ary dia tena halako tokoa. Indrisy !!!
(Na izany aza tsy dia tiako loatra ianareo hihevitra fa zaho no nanoratra an'ireny rehetra ireny!) satria feno mistery ny ambadik'izao.
Misaotra anareo namako.
Oully ( 27/07/2004 20:30)
Voaraiko ny hafatra nalefanareo taty amiko manokana nananatra ahy. Tsy hitako izay holazaina fa meteza hamela ahy fa tsy fidiny ho ahy, ... mba toheriko koa ny fankahalana nahazo ity mpanoratra ity :) Hiezaka aho hanao ireo toro-hevitrareo. (Ny Kanto).
Tena mamela ahy.
gasikely79 ( 04/09/2004 16:46)
Aza miditra fahotana mahafaty mankahala izany fa tadidio misy manao izao ao @ testamenta taloha tao: "Aoka izao Iaveh Andriamanitrao no hanao ny fahavalonao ho fitoeran'ny tongotrao."
Mahereza lalandava mivavaka.Vakio rehefa hariva ny salamo fa tsy maintsy mahita fitoniana sy fankaherezana ao ianao. Mahereza!!!!
Oully ( 04/09/2004 20:14)
Misaotra gasikely79.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Oully
Nampiditra : Oully
Daty : 27/07/2004 08:42
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145