... niriany - Oully
Azo vakiana?
Fitiavana nindramina
Efa vasoka sy lao
Mbola vao halamina
No indro sendra anao.
Fitiavana tsy ahy
Fa halaina an-tsokosoko
Hahavaky ny fanahy
Saingy hampitony ny toloko
Fitiavana adala tompo
Natositosika fa botry
Nanjary zatra ny nanompo
Niandrandra foana rotsirotsy
Fitiavana nananako fahiny
Fony mbola tsisy tsiny
No sendra olo-nivahiny
Tsy foy na dia efa nariany
Hiangaviako iny olon'iny
Avereno, mba hisy hifaliany
Sao io ilay fitiavana niriany
Sa aleo hiaina ny fara-fijaliany ?
01h : 16mn
29/06/2004
Hevitra mandeha
NyKanto (30/06/2004 09:06:39)
Oully,
Napetrako ao "tsy fioty manta" ho setrin'ity tononkalonao naha-lasa ny fisainako ity.
Hamokatra ny soa anie ilay fiaraha-miasantsika.
Ny Kanto.
Oully (30/06/2004 09:35:47)
Nykanto,
Misaotra amin'ny "valin-tononkalo". Mahalasa saina ity fitiavana ity. Ho avoakantsika tsara ny mamy sy ny mangidiny amin'ny fiarahantsika iriana haharitra.
Mankasitraka!
Oully!
bichette (30/06/2004 13:09:50)
Mombamomba
Mpanoratra : Oully
Nampiditra : OullyDaty : 29/06/2004
Mpamangy : 2009
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
SanatriavikoNY ADIN'NY RENY
MENDRIKA
Loko niofo
Anareo roa
Tsia
Saro-baliana
Ilay
SERASERA
Fanontaniana