Sodoka - Oully
Azo vakiana?
Tsy ny endrikao
Na ny bikanao
No nahasodoka ahy
F'ireo teninao namitaka
No nisarika ahy hankasitraka
Tsy ny toetranao
Na ny fombanao
No nahasodoka ahy
F'ireo teninao nisoloky
No nisarika ahy hatoky
Tsy ny fahaizanao
Na ny asanao
No nahasodoka ahy
F'ireo teninao nihatsaravelatsihy
No nisarika ahy hitia
...
Tsy ny fifankatiavanareo
Na ny fanambadianareo
No "tsy nampoiziko"
Na 'halako"
F'ireo teninao tsy mety diso
No nisarika ahy ho rikoriko
Ka nitàna an-dolom-po
Ny fitiavana tsy raikitra
Paris, 26 aogositra 2004
Hevitra mandeha
bichette (31/08/2004 07:42:49)
oups !
Avelao ny taloha fa ny ho avy banjinina.
Oully (31/08/2004 10:22:10)
Zay njay njy fa masiaka foana :((
Ok aza eh!
bichette (31/08/2004 13:09:35)
tsy masiaka aky a ! fa manampy ! ary marina izany.biz
NyKanto (31/08/2004 18:07:50)
Ry NAMAKO,
Tsy ny tononkalonao
Miventy ny hoe natoky,
Nitia sy nakansitraka
Dia milaza fa voafitaka
No hanolatra ny ratra.
Tsy ny fitiavanao mandrasa
Tia mamohafoha ny lasa
Sy manala tako-pery
No hanala ny fanaintainana
Sy hampitraka ny fiainana.
Fa atreho aloha ny ho avy
Tsy siaka izany na koa sazy
F'izay no baikom-pahendrena
Tena hampody volamena
Ilay fonao vasoka omaly
Sy hampisinda koa ny jaly.
Ny Kanto.
Oully (01/09/2004 22:34:23)
Soa fa nisy anareo, ianareo namako! la! la! la! la!
Aza manahy ianareo fa aloka sendra nandalo sisa.
Mankasitraka am-pitiavana. Bizzz
nants (02/09/2004 17:41:48)
mahafinaritra ny tononkalonao satria
miventsoventso ilay fitia
ilay fitia izay voafitaka
ary koa voahitsakitsaka
sipagasy (02/07/2005 15:12:56)
Mombamomba
Mpanoratra : Oully
Nampiditra : OullyDaty : 30/08/2004
Mpamangy : 1572
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
SanatriavikoNY ADIN'NY RENY
MENDRIKA
Loko niofo
Anareo roa
Tsia
Saro-baliana
Ilay
SERASERA
Fanontaniana