Fitia vaovao - Panarato
Azo vakiana?
Ity ny taona vaovao
Hirariana ainga vao
Hikaloana ny fitia
Izaho sy ianao hiara-dia
Eny tonga ny fotoana
Isika roa ho tafahaona
Efa ela izaho no niandry
Silam-panahy halaina vady
Babonao tokoa ny foko
Ry voninkazo tsara loko
Ho lohataona lalandava
Ny alaheloko hisava
Fitia maditra sy tsy ferana
Lavitry ny fahataperana
Aigam-panahy miredareda
Misongadina sy ngeza
Ny endrika sy bikanao
Tsy afaka ao an-tsaiko ao
Tena tiako tonga lafatra
Faniriako lasa lahatra
Dobokin’ny haravoana
Raha eo anilanao foana
Sambatra sy falifaly
Satria fitia mifamaly
Efa voasoratra ho tantara
Fa ianao no anjara
Mendika ahy sy nantenaiko
Ka anjakao ry sombinaiko
Albert / Panarato 03/01/2014
Mombamomba
Mpanoratra : Panarato
Nampiditra : panaratoDaty : 03/01/2014
Mpamangy : 1951
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Any lavitra anyFitia ritra
Akaikin'ny fo
Zanako
Neny, fitiavako voalohany
Onjasoa
Tanindrazakop
Fitiavana ihany
Panarato