Panarato (Panarato)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izaho panaratoIanao panankalo
Andao hiara-dia
Hirevy sy hankafy
Ny tanjona tsy ferana
Ianao no ianteherana
Handravaka ny fiainana
Izay rovitra ho zairina
Ny lakan-tsika roa
Hisosa be tokoa
Hisedra izany onja
Ho namana hitondra
Ka rahoviana indray
Isika no hiray
Embonembona syvinany
No alefako mankany
Hofaranako ny vazo
Ianao no voninkazo
Handravaka ny fiainako
Sy ny tontolo hiainako.
Panarato 11/08/2013
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana