Panarato - Panarato
Azo vakiana?
Izaho panarato
Ianao panankalo
Andao hiara-dia
Hirevy sy hankafy
Ny tanjona tsy ferana
Ianao no ianteherana
Handravaka ny fiainana
Izay rovitra ho zairina
Ny lakan-tsika roa
Hisosa be tokoa
Hisedra izany onja
Ho namana hitondra
Ka rahoviana indray
Isika no hiray
Embonembona syvinany
No alefako mankany
Hofaranako ny vazo
Ianao no voninkazo
Handravaka ny fiainako
Sy ny tontolo hiainako.
Panarato 11/08/2013
Sokajy :
Fitiavana
Mombamomba
Mpanoratra : Panarato
Nampiditra : panaratoDaty : 11/08/2013
Mpamangy : 879
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Fitia vaovaoAny lavitra any
Fitia ritra
Akaikin'ny fo
Zanako
Neny, fitiavako voalohany
Onjasoa
Tanindrazakop
Fitiavana ihany