Dinidinika kely - Papillusion
Sokafy ny masonao dia ho hitanao
fa tsara ny mijery
karazana loko, mahafinaritra
karazana endrika, mahatalanjona
zava-manan'aina, mahagaga
karazan-javatra maro, mahatsikaiky
Sokafy indray ny fonao dia ho tsapanao
fa kanto tokoa ny
mitia ny tena mahafinaritra
mihevitra ny tena mahatalanjona
mampahafantatra ny tena mahagaga
mihomehy ny tena mahatsikaiky
Sokafy ny saina anananao dia takaro
fa tsy misy zava-boahary ratsy eto ambonin'ny tany
fa ny olombelona tsy tia ihany no manimba izany.
Mampihomehy sa mampalahelo?
Aza valiana fa saintsaino, henoy amin'ny fo, jereo tsara amin'ny maso...
Mombamomba
Mpanoratra : Papillusion
Nampiditra : papillusionDaty : 21/08/2004
Mpamangy : 2347
Mankafy : 1