NY KANTO (pentina)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY KANTO
Tsy zava-tsarobidy
Anaty vata mihidy
Ho raikitra tadidy

Na zava-maro soa
Mitara-batosoa
Izay lafatra tokoa

Tsy vola iray sarety
Na biby tsy omby fefy
Na volo lava be tsy mihety

Na hafaliana sesehena
Na bolongambolamena
izay tsy hita eny antsena

Na hoe teny miady rima
Tsy misy mpanakiana
Ka mandoka izay tsy tiana


...Fa toa anao izao


Asatanan'ny Nahary
Miavaka amin'ny zavaboary
Hitako miharihary

Tsara tsisy famaritana
Tsara Kanto no ireo kintana
Miavaka amin'ny Tsara vintana

Toa anao izao
Tsy mety mankalao
Fa tiko tsotra izao

Hanitra manentoento
Ka dokafako eto
Ho lavitry ny sento

Fa tsara izay itoerany
Jereko amin'ny fiserany
Tsy tapany fa erany

Ka...tsy ho ataoko anaty vazy
Fa ho lasa vazivazy
Ary hanjary halazo ho azy


PENTINA (1991, Bantsilana Pejy 40)
--------
Rohy:
Sokajy : tsara - Fitiavana
1072 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : pentina
Nampiditra : rarody
Daty : 06/03/2020 12:30
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099