MALAGASY AHO, MALAGASY IANAO (Rabetokotany Latiana (Petakasoa))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MALAGASY AHO, MALAGASY IANAO

Raha mainty aho na zarazara hoditra
Raha ny fitafiako fatratra na misy rovitra
Ny oroko raha petaka na marirana
Ny voloko raha vasoka na koa mangirana
Dia noharian’Andriamanitra aho ho MALAGASY
Na mipetraka ao GASIKARA na aty andafy

Raha notaizaina ianao tamin’ny fomba vahiny
Ka zary tsy tia fomba gasy ary tena manome tsiny
Na tsy hainao mihitsy aza ny teny MALAGASY
Dia tsarovy fa ny maha-vazaha anao dia Taratasy
Ary tsy azonao fafàna ny marina ara- tantara
Fa ny Tanindrazanao ange dia MADAGASIKARA

Na MALAGASY tanteraka ianao na koa metisy
Mbola misy rà gasy izany ka indrisy
Asakasakao raha ny maha-GASY no mahamenatra
Raha vao fantatr’olona fa GASY dia toa hendratra
Andriamanitra ilay inoanao ange no Nahary
Ka Izy ve sahinao omena tsiny ary?????????

PETAKASOA (faha-23 jona 2010)
--------
Rohy:
2571 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096