NY FAHALEOVAN-TENA (Rabetokotany Latiana (Petakasoa))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY FAHALEOVAN-TENA

Moa ve fitiavam-pirenena,
Raha sahy hosihosena
Ikipiana maso, tsy jerena
“NY FAHALEOVAN-TENA”
Nilofosan’ireo feno fahendrena
Fa natakalo fangoronan-karena
Nahatonga mahantra sesehena
Nankamamina ny hafetsena
Fitiavam-bola no nampandresena

Moa ve fitiava-tanindrazana
Ny fampiasàna fahalebiazana
Hanapotika tsy ho tazana
Ny soa napetrak’ireo razana
“NY FAHALEOVAN-TENA”
Fa ilaozana mihidy vazana
Mifikitra amin’ny fanotazana
Ka izao ny tany ngazana
Ny fiainana miha- mazana

Moa ve fitiavana an’i Gasikara
Raha ilay lova sarobidy tsara :
“NY FAHALEOVAN-TENA “
Voarakitra ao amin’ny tantara
Hoan’ny taranaka amampara
Tsy voakolo, tsy voakarakara
Nananana hevitra maramara
ka namidy ambongady, antsinjara
Ny mpiray monina voazarazara

PETAKASOA (faha-05 jona 2010)
--------
Rohy:
1526 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0526